Ezekiel 20:26 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nandoto azy tamin’ny fanatiny Aho, tamin’ny nampandehanany ny voalohan-teraka rehetra hamakivaky ny afo, ka nataoko very hevitra izy, mba ho fantany fa Izaho no TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
sady nolotoiko tamin’ny fanatiny, tamin’ny nampandehanany ny voalohan-terany rehetra hamaky ny afo, ary izany no nataoko dia ny mba handringana azy, ka hahalalany fa Izaho no Iaveh.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Navelako handoto tena tamin’ny fanolorana ny voalohan-terany rehetra hovonoina ho faty izy mba hampivarahontsana azy ka hiekeny fa Izaho no TOMPO.»
Malagasy Bible 1865
Dia nandoto azy tamin'ny fanatiny Aho, dia tamin'ny nampandehanany ny voalohan-teraka rehetra hamaky ny afo, hampahatalanjonako azy, mba hahafantarany fa Izaho no Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nandoto azy tamin’ny fanatiny Aho, tamin’ny nampandehanany ny voalohan-teraka rehetra hamakivaky ny afo, ka nataoko very hevitra izy, mba ho fantany fa Izaho no TOMPO.
malagasy
Dia nandoto azy tamin'ny fanatiny Aho, dia tamin'ny nampandehanany ny voalohan-teraka rehetra hamaky ny afo, hampahatalanjonako azy, mba hahafantarany fa Izaho no Jehovah.[Na: dia tamin'ny nanokanany ny voalohan-teraka rehetra; izahao Eks. xiii. 12]