Ezekiel 20:28 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nony nitondra azy ho any amin’ny tany izay nananganako tanana homena azy Aho dia nahita ny vohitra avo rehetra sy ny hazo misandrahaka rehetra izy ka tao no namonoany zavatra hatao fanatitra, ary tao koa no nametrahany ny fanatiny mahatezitra; tao koa no nanolorany hanitra ankasitrahana, ary tao no nanidinany ny fanatitra aidiny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony efa tafiditra teo amin’ny tany nianianako sady nananganako tanana homena azy izy ireo, rehefa mety ho havoana milangalanga sy hazo mikirindro hitany koa, dia nanolorany ny sorony sy nanaterany ireo fanatiny, sady nararany teny ny fanatitra araraka.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nitarika azy ho ao amin’ny tany izay nianianako homena azy Aho. Nefa nony nahita ireo tendron-kavoana misy hazo matevina izy, dia nanolotra sorona teo. Nanolotra fanatitra sy zava-manitra fampitoniana izy sady nandraraka divay teny ka nampirongatra ny hatezerako.
Malagasy Bible 1865
Nony nitondra azy ho any amin'ny tany izay nananganako tanana homena azy Aho, dia nahita ny havoana andrandraina rehetra sy ny hazo misandrahaka rehetra izy, ka tao no namonoany zavatra hatao fanatitra, ary tao koa no nametrahany ny fanatiny mahatezitra; tao koa no nanaterany hanitra ankasitrahana, ary tao no nanidinany ny fanatitra aidiny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nony nitondra azy ho any amin’ny tany izay nananganako tanana homena azy Aho dia nahita ny vohitra avo rehetra sy ny hazo misandrahaka rehetra izy ka tao no namonoany zavatra hatao fanatitra, ary tao koa no nametrahany ny fanatiny mahatezitra; tao koa no nanolorany hanitra ankasitrahana, ary tao no nanidinany ny fanatitra aidiny.
malagasy