Ezekiel 20:3 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ry zanak’olona, mitenena amin’ireo loholon’ny Israely ka lazao aminy hoe: Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Moa hanontany Amiko va no iavianareo? Raha velona koa Aho, hoy NY TOMPO Andriamanitra, dia tsy hety hanontanianareo mihitsy Aho.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ry zanak’olona, mitenena amin’ireo loholon’i Israely ireo, ka lazao aminy hoe: Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Hanontany amiko va no nahatongavanareo? Velona Aho, ka tsy hety hanontanianareo - teny marin’ny Tompo Iaveh. -
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Ry ilay taranak’olombelona, ambarao amin’ireo loholon’i Israely fa izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: ‹Moa hanontany Ahy ve no nahatongavanareo? Velona Izaho Tompo ANDRIANANAHARY ka manao teny hentitra sy mianiana fa tsy hanaiky hanontanianareo mihitsy!›
Malagasy Bible 1865
Ry zanak'olona, mitenena amin'ireo loholon'ny Isiraely, ka ataovy aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Moa hanontany amiko va no ihavianareo? Raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, dia tsy hety hanontanianareo mihitsy Aho.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ry zanak’olona*, mitenena amin’ireo loholon’ny Israely ka lazao aminy hoe: Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Moa hanontany Amiko va no iavianareo? Raha velona koa Aho, hoy NY TOMPO Andriamanitra, dia tsy hety hanontanianareo mihitsy Aho.
malagasy
Ry zanak'olona, mitenena amin'ireo loholon'ny Isiraely, ka ataovy aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Moa hanontany amiko va no ihavianareo? Raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, dia tsy hety hanontanianareo mihitsy Aho.