Ezekiel 20:30 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa lazao amin’ny taranak’Israely hoe: Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Moa tsy mandoto tena araka ny lalan’ny razanareo va ianareo, sy mijangajanga manaraka ny fahavetavetany,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Koa lazao amin’ny taranak’i Israely hoe: Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Adre! mandoto tena araka ny fanaon’ny razanareo ianareo; ary mitolo-tena hanaraka ny fahavetavetany ianareo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Noho izany, ambarao amin’ny Israelita fa Izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: ‹Nahoana no manaraka ny fanaon-drazanareo ianareo, ka ny fanompoana ireo sampiny maharikoriko ireo no andotoanareo tena sy ivadihanareo amiko?
Malagasy Bible 1865
Koa ataovy amin'ny taranak'Isiraely hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Moa mandoto tena araka ny fanaon 'ny razanareo va ianareo, sy mijangajanga manaraka ny fahavetavetany va,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa lazao amin’ny taranak’Israely hoe: Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Moa tsy mandoto tena araka ny lalan’ny razanareo va ianareo, sy mijangajanga manaraka ny fahavetavetany,
malagasy
Koa ataovy amin'ny taranak'Isiraely hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Moa mandoto tena araka ny fanaon'ny razanareo va ianareo, sy mijangajanga manaraka ny fahavetavetany va,[Heb. lalana]