Ezekiel 20:31 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
ary mandoto tena amin’ny sampinareo rehetra mandraka androany amin’ny anateranareo ny fanomezanareo sy ny ampandehananareo ny zanakareo hamakivaky ny afo? Ary Izaho va hety hanontanianareo, ry taranak’Israely? Raha velona koa Aho, hoy NY TOMPO Andriamanitra, tsy hety hanontanianareo mihitsy Aho.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Mandoto tena amin’ny sampin-dozanareo rehetra mandrak’androany ianareo, amin’ny anateranareo ny fanatitrareo sy ampandehananareo ny zanakareo hamaky ny afo; ka Izaho ve dia hety hanontanianareo ihany, ry taranak’i Israely? Velona Aho - teny marin’ny Tompo Iaveh: - tsy hety hanontanianareo Aho.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary mandraka ankehitriny dia mbola mandoto tena ihany ianareo fa mitondra fanatitra sy manao sorona ny zanakareo amin’ny sampinareo. Manoloana izany ve Aho, ry Israelita, dia mbola hanaiky hanontanianareo ihany? Velona Izaho Tompo ANDRIANANAHARY ka manao teny hentitra sy mianiana fa tsy hanaiky hanontanianareo Aho.
Malagasy Bible 1865
ary mandoto tena amin'ny sampinareo rehetra mandraka androany va ianareo amin'ny anateranareo ny fanomezanareo sy ny ampandehananareo ny zanakareo hamaky ny afo? Ary Izaho va hety hanontanianareo, ry taranak'Isiraely? Raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, tsy hety hanontanianareo mihitsy Aho.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
ary mandoto tena amin’ny sampinareo rehetra mandraka androany amin’ny anateranareo ny fanomezanareo sy ny ampandehananareo ny zanakareo hamakivaky ny afo? Ary Izaho va hety hanontanianareo, ry taranak’Israely? Raha velona koa Aho, hoy NY TOMPO Andriamanitra, tsy hety hanontanianareo mihitsy Aho.
malagasy