Ezekiel 20:32 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tsy ho tanteraka mihitsy ny eritreritra ao an-tsainareo hoe: Ho tahaka ny Jentilisa izahay, dia tahaka ny foko any amin’ny tany samihafa ka hanao fanompoam-pivavahana ho an’ny vato aman-kazo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary tsy ho tanteraka akory ny hevitra mby ao an-tsainareo manao hoe: Ho tahaka ny firenena izahay, ho tahaka ny fokon-tany hafa manompo hazo amam-bato izahay.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Mihevitra angaha ianareo fa ho afaka hanompo ireo vato aman-kazo tahaka ny hafa firenena, dia ireo vahoakan’ny tany hafa? Tsia, tsy ho tanteraka mihitsy izany.
Malagasy Bible 1865
Ary tsy ho tanteraka mihitsy ny eritreritry ny fanahinareo hoe: Ho tahaka ny jentilisa izahay, dia tahaka ny firenena amin'ny tany samy hafa, ka hanao fanompoam-pivavahana ho an'ny vato aman-kazo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tsy ho tanteraka mihitsy ny eritreritra ao an-tsainareo hoe: Ho tahaka ny Jentilisa* izahay, dia tahaka ny foko any amin’ny tany samihafa ka hanao fanompoam-pivavahana ho an’ny vato aman-kazo.
malagasy
Ary tsy ho tanteraka mihitsy ny eritreritry ny fanahinareo hoe: Ho tahaka ny jentilisa izahay, dia tahaka ny firenena amin'ny tany samy hafa, ka hanao fanompoam-pivavahana ho an'ny vato aman-kazo.