Ezekiel 20:38 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Havahako hiala aminareo ny mpikomy sy izay manota Amiko; eny, hoentiko hiala amin’ny tany ivahiniany ireo, nefa tsy hisy ho tafiditra ao amin’ny tanin’ny Israely izy. Dia ho fantatrareo fa Izaho no TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Havahako hiala aminareo ireo mpiodina, sy ireo niendaka tamiko; hotsoahako avy any amin’ny tany nivahiniany ihany izy, nefa tsy mba ho tonga any amin’ny tanin’i Israely; dia ho fantatrareo fa Iaveh Aho.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hoesoriko tsy ho eo aminareo ireo nikomy sy niodina tamiko. Hoentiko miala amin’ny tany izay ivahiniany izy, nefa tsy hiverina intsony any amin’ny tanin’i Israely. Amin’izay dia hoekenareo fa Izaho no TOMPO.›
Malagasy Bible 1865
Ary havahako hiala aminareo ny mpiodina sy izay manota amiko; eny, ho entiko hiala amin'ny tany ivahiniany ireo, nefa tsy hisy ho tafiditra ao amin'ny tanin'ny Isiraely izy; ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Havahako hiala aminareo ny mpikomy sy izay manota Amiko; eny, hoentiko hiala amin’ny tany ivahiniany ireo, nefa tsy hisy ho tafiditra ao amin’ny tanin’ny Israely izy. Dia ho fantatrareo fa Izaho no TOMPO.
malagasy