Ezekiel 20:39 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ny aminareo, ry taranak’Israely, izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Samia mandeha ianareo ka manompoa ny sampinareo! Nefa any aoriana any, moa tsy mba hihaino Ahy mihitsy va ianareo? Tsy hanamavo ny anarako masina intsony amin’ny fanatitrareo sy amin’ny sampinareo ianareo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary ny aminareo, ry taranak’i Israely, izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Samia mandeha manompo ny sampinareo avy! Any aorian’izany anefa, hihaino Ahy tokoa ianareo, ka tsy hanevateva ny Anarako masina amin’ny fanatitrareo aman-tsampin-dozanareo intsony.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary ny aminareo Israelita kosa dia izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: ‹Samia miroso manompo ny sampiny avy ianareo! Nefa any aoriana any dia hankatò Ahy mihitsy ianareo, ary tsy hanimbazimba ny anarako masina intsony amin’ny fanolorana fanatitra ho an’ny sampinareo.
Malagasy Bible 1865
Ary ny aminareo, ry taranak'Isiraely, izao no lazain'i Jehovah Tompo; Samia mandeha ianareo, ka manompoa ny sampinareo; nefa any aoriana kosa dia hihaino Ahy mihitsy ianareo ka tsy handoto ny anarako masina intsony amin'ny fanatitrareo sy amin'ny sampinareo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ny aminareo, ry taranak’Israely, izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Samia mandeha ianareo ka manompoa ny sampinareo! Nefa any aoriana any, moa tsy mba hihaino Ahy mihitsy va ianareo? Tsy hanamavo ny anarako masina intsony amin’ny fanatitrareo sy amin’ny sampinareo ianareo.
malagasy