Ezekiel 20:40 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa ao amin’ny tendrombohitro masina, dia ao amin’ny tendrombohitra avon’ny Israely, hoy NY TOMPO Andriamanitra, no hanompoan’ny taranak’Israely rehetra Ahy, dia izay rehetra ao amin’ny tany; ao no hankasitrahako azy, ary ao no hilako ny fanomezanareo sy ny voaloham-bokatra aterinareo amin’ny zava-masinareo rehetra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa any an-tendrombohitra masina, any an-tendrombohitra avon’i Israely - teny marin’ny Tompo Iaveh - hanompo Ahy avokoa ny taranak’i Israely rehetra, izay rehetra amin’ny tany. Any Aho no hankasitraka azy ireo; any no hilako ny fanatitrareo, mbamin’ny santatry ny fanomezanareo, amin’izay rehetra atokanareo ho Ahy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izao: ny Israelita rehetra eo amin’ny tany dia hanao fanompoam-pivavahana Amiko eo an-tendrombohitra voatokana ho Ahy, dia ilay tendrombohitra avo any Israely. Eo no handraisako tsara anareo sy hiangaviako hitondranareo izay rehetra voatokanareo ho Ahy, dia ny fanomezana sy fanatitra amin’izay tsara indrindra anananareo.
Malagasy Bible 1865
Fa ao an-tendrombohitro masina, dia ao an-tendrombohitra avon'ny Isiraely, hoy Jehovah Tompo, no hanompoan'ny taranak'Isiraely rehetra Ahy, dia izay rehetra amin'ny tany; ao no hankasitrahako azy, ary ao no hilako ny fanatitrareo sy ny voaloham-bokatra aterinareo amin'ny zava-masinareo rehetra,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa ao amin’ny tendrombohitro masina, dia ao amin’ny tendrombohitra avon’ny Israely, hoy NY TOMPO Andriamanitra, no hanompoan’ny taranak’Israely rehetra Ahy, dia izay rehetra ao amin’ny tany; ao no hankasitrahako azy, ary ao no hilako ny fanomezanareo sy ny voaloham-bokatra aterinareo amin’ny zava-masinareo rehetra.
malagasy