Ezekiel 20:41 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hankasitrahako toy ny hanitra ankasitrahana ianareo amin’ny hitondrako anareo mivoaka avy any amin’ny firenena sy ny hamoriako anareo avy any amin’ny tany samihafa nampielezana anareo; dia hiseho ho masina eo anatrehan’ny Jentilisa Aho amin’ny hataoko aminareo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ianareo ankasitrahiko toy ny hanitra misy fofona mahafinaritra, rehefa nentiko nivoaka avy any amin’ny firenena sy novoriko avy any amin’ny tany nanelezana anareo; ary ianareo no hanamasinako ny Tenako eo imason’ny firenena.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Miaraka amin’ny sorona manetona hanitra ankasitrahiko no handraisako tsara anareo, rehefa havoakako avy eo anivon’ny firenen-kafa ianareo sy hovoriko avy any amin’ny tany izay nampielezako anareo. Ka ny hataoko aminareo no hanehoako ny maha Andriamanitra Masina Ahy eo imason’ny firenen-kafa.
Malagasy Bible 1865
Hankasitrahako toy ny hanitra ankasitrahana ianareo amin'ny hitondrako anareo mivoata avy any amin'ny firenena sy ny hamoriako anareo avy any amin'ny tany samy hafa nampielezana anareo, ka dia hiseho ho masina eo anatrehan'ny jentilisa Aho amin'ny hataoko aminareo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hankasitrahako toy ny hanitra ankasitrahana ianareo amin’ny hitondrako anareo mivoaka avy any amin’ny firenena sy ny hamoriako anareo avy any amin’ny tany samihafa nampielezana anareo; dia hiseho ho masina eo anatrehan’ny Jentilisa Aho amin’ny hataoko aminareo.
malagasy