Ezekiel 20:42 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ho fantatrareo fa Izaho no TOMPO rehefa mitondra anareo ho any amin’ny tanin’ny Israely Aho, dia ny tany izay nananganako tanana homena ny razanareo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary ho fantatrareo fa Iaveh Aho, rehefa tongako any amin’ny tanin’i Israely ianareo, dia any amin’ny tany efa nananganako tanana homena ny razanareo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Amin’izay dia hoekenareo fa Izaho no TOMPO, rehefa tafaveriko ao amin’ny tanin’i Israely izay nianianako homeko ny razanareo.
Malagasy Bible 1865
Ary ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah, raha mitondra anareo ho any amin'ny tanin'ny Isiraely Aho, dia ny tany izay nananganako tanana nomena ny razanareo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ho fantatrareo fa Izaho no TOMPO rehefa mitondra anareo ho any amin’ny tanin’ny Israely Aho, dia ny tany izay nananganako tanana homena ny razanareo.
malagasy
Ary ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah, raha mitondra anareo ho any amin'ny tanin'ny Isiraely Aho, dia ny tany izay nananganako tanana nomena ny razanareo.