Ezekiel 20:43 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hotsaroanareo any ny lalanareo sy ny nataonareo rehetra izay nahaloto anareo; ary haharikoriko anareo ny tenanareo noho ny ratsy rehetra nataonareo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ho tsaroanareo, rehefa mby any, ny lalanareo mbamin’ny heloka rehetra nandotoanareo tena, ka haharikoriko anareo ny tenanareo, noho ny ratsy rehetra vitanareo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ao ianareo no hisaintsaina ny fitondrantenanareo tamin’ny lasa sy ireo asa nampahaloto anareo. Haharikoriko anareo ny tenanareo noho ny ratsy rehetra efa nataonareo.
Malagasy Bible 1865
Ary hotsaroanareo any ny nalehanareo sy ny nataonareo rehetra izay nahaloto anareo; ary haharikoriko anareo ny tenanareo noho ny ratsy rehetra izay nataonareo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hotsaroanareo any ny lalanareo sy ny nataonareo rehetra izay nahaloto anareo; ary haharikoriko anareo ny tenanareo noho ny ratsy rehetra nataonareo.
malagasy
Ary hotsaroanareo any ny nalehanareo sy ny nataonareo rehetra izay nahaloto anareo; ary haharikoriko anareo ny tenanareo noho ny ratsy rehetra izay nataonareo.Dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah, rehefa miasa aminareo Aho noho ny amin'ny anarako, fa tsy araka ny lalàn-dratsinareo, na araka ny ratsy fanaonareo, ry taranak'Isiraely, hoy Jehovah Tompo.