Ezekiel 20:44 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia ho fantatrareo fa Izaho no TOMPO rehefa miasa aminareo Aho noho ny amin’ny anarako, fa tsy araka ny lalan-dratsinareo, na araka ny ratsy fanaonareo, ry taranak’Israely, hoy NY TOMPO Andriamanitra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary ho fantatrareo fa Iaveh Aho, rehefa hanao ny ataoko aminareo Aho noho ny Anarako, fa tsy araka ny lalan-dratsinareo, na ny helokareo maharikoriko, ry taranak’i Israely, - teny marin’ny Tompo Iaveh. -
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tsy araka ny toe-dratsinareo sy ny asa tsy mendrika nataonareo no havaliko anareo, ry Israelita, fa mba ho fitandroako ny lazako. Amin’izay dia hoekenareo fa Izaho no TOMPO. Teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany.»
Malagasy Bible 1865
Dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah, rehefa miasa aminareo Aho noho ny amin'ny anarako, fa tsy araka ny lalàn-dratsinareo, na araka ny ratsy fanaonareo, ry taranak'Isiraely, hoy Jehovah Tompo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah, rehefa miasa aminareo Aho noho ny amin'ny anarako, fa tsy araka ny lalàn-dratsinareo, na araka ny ratsy fanaonareo, ry taranak'Isiraely, hoy Jehovah Tompo.