Ezekiel 20:5 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Lazao aminy hoe: Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Tamin’ny andro nifidianako ny Israely sy nananganako tanana tamin’ny taranak’i Jakoba sy nanaovako izay hahafantarany Ahy tany amin’ny tany Ejipta, raha nanangan-tanana taminy Aho ka niteny hoe: Izaho no TOMPO Andriamanitrareo,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ka lazao aminy hoe: Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Tamin’ny andro nifidianako an’i Israely sy nananganako tanana homba ny taranak’i Jakôba, sy nanaovako izay hahalalany Ahy tany amin’ny tany Ejipta, ary nananganako tanana homba azy ireo, nanao hoe: Izaho no Iaveh Andriamanitrareo;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ambarao aminy fa izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: ‹Tamin’ny andro nifidianako ny vahoaka Israely, dia izy rehetra no nianianako. Niseho taminy Aho tany Ejipta ary nampanantena azy mafy ho TOMPO Andriamaniny.
Malagasy Bible 1865
Ary ataovy aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Tamin'ny andro nifidianako ny Isiraely sy ny ananganako tanana tamin'ny taranak'i Jakoba sy nanaovako izay hahafantarany Ahy tany amin'ny tany Egypta raha nanangan-tanana taminy Aho ka nanao hoe: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Lazao aminy hoe: Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Tamin’ny andro nifidianako ny Israely sy nananganako tanana tamin’ny taranak’i Jakoba sy nanaovako izay hahafantarany Ahy tany amin’ny tany Ejipta, raha nanangan-tanana taminy Aho ka niteny hoe: Izaho no TOMPO Andriamanitrareo,
malagasy