Ezekiel 20:6 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
tamin’izany andro izany no nananganako tanana taminy hitondra azy hivoaka avy tany amin’ny tany Ejipta ho any amin’ny tany nozahako ho azy, izay tondra-dronono sy tantely sady tsara indrindra amin’ny tany rehetra,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
tamin’izany andro izany, nanangan-tanana homba azy ireo Aho, nianiana fa hitondra azy mivoaka avy any amin’ny tany Ejipta, ho any amin’ny tany tondra-dronono aman-tantely izay tsara indrindra amin’ny tany rehetra sady efa nozahako ho azy ireo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’izany andro izany no nianianako fa hampamoaka azy hiala any Ejipta Aho mba hitondra azy ho amin’ny tany nomaniko ho azy manokana, dia tany izay tondra-dronono sy tantely sady mahafinaritra noho ny tany hafa rehetra.
Malagasy Bible 1865
tamin'izany andro izany no nananganako tanana taminy hitondra azy hivoaka avy tany amin'ny tany Egypta ho any amin'ny tany notadiaviko ho azy, izay tondra-dronono sy tantely sady tena endriky ny tany rehetra,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
tamin’izany andro izany no nananganako tanana taminy hitondra azy hivoaka avy tany amin’ny tany Ejipta ho any amin’ny tany nozahako ho azy, izay tondra-dronono sy tantely sady tsara indrindra amin’ny tany rehetra,
malagasy