Ezekiel 20:8 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nefa nikomy Tamiko izy ka tsy nety nihaino Ahy; samy tsy nanary ny fahavetavetan’ny masony na nahafoy ny sampin’i Ejipta izy ka hoy Aho: Haidiko aminy ny fahavinirako, ary hanamparako ny fahatezerako eo amin’ny tany Ejipta izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Niodina tamiko anefa izy ireo, fa tsy nety nihaino Ahy. Izy ireo tsy mba samy nanary ny sampiny tsy ho eo anatrehany, na niala tamin’ny fahavetavetan’i Ejipta. Nihevitra ny handatsaka ny fahavinirako tamin’izy ireo Aho, sy hanarana ny hatezerako taminy, tany amin’ny tany Ejipta.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Kanjo nikomy tamiko izy, ary tsy nanaiky hihaino Ahy. Tsy nisy nanary ireo sampy maharikoriko izay nanintona azy izy, ary tsy nisy nandao ny sampy ejiptianina. Koa nihevitra Aho ny hampihatra sy hampitosaka ny fahavinirako amam-pahatezerako aminy tao Ejipta ihany.
Malagasy Bible 1865
Nefa niodina tamiko izy ka tsy nety nihaino Ahy; samy tsy nanary ny fahavetavetan'ny masony na nahafoy ny sampin'i Egypta, ka dia hoy Izaho: Haidiko aminy ny fahavinirako, ary hotanterahiko aminy eo amin'ny tany Egypta ny fahatezerako.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nefa nikomy Tamiko izy ka tsy nety nihaino Ahy; samy tsy nanary ny fahavetavetan’ny masony na nahafoy ny sampin’i Ejipta izy ka hoy Aho: Haidiko aminy ny fahavinirako, ary hanamparako ny fahatezerako eo amin’ny tany Ejipta izy.
malagasy