Ezekiel 20:9 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Kanefa noho ny amin’ny anarako no nihetsehako mba tsy handotoana izany eo imason’ny Jentilisa izay nitoerany, sady teo imasony no nanaovako izay hahafantarany Ahy tamin’ny nitondrako azy nivoaka avy tany amin’ny tany Ejipta.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nefa nanao ny ataoko Aho, noho ny Anarako, mba tsy ho voavetaveta izany eo imason’ireo firenena nitoerany; sady teo imason’ireo koa no nanaovako izay hahafantarany Ahy, hitondrako azy hivoaka ny tany Ejipta.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Kanefa notandroviko ny lazako mba tsy hozimbazimbain’ny firenen-kafa niarahany nonina. Fa teo imason’ireo firenena ireo no nanaovako izay hahafantaran’ny Israelita Ahy tamin’ny namoahako azy hiala tany Ejipta.
Malagasy Bible 1865
Kanefa niasa noho ny amin'ny anarako Aho, mba tsy handotoana izany eo imason'ny jentilisa izay nitoerany, sady teo imasony no nanaovako izay hahafantarany Ahy tamin'ny nitondrako azy nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Kanefa noho ny amin’ny anarako no nihetsehako mba tsy handotoana izany eo imason’ny Jentilisa* izay nitoerany, sady teo imasony no nanaovako izay hahafantarany Ahy tamin’ny nitondrako azy nivoaka avy tany amin’ny tany Ejipta.
malagasy
Kanefa niasa noho ny amin'ny anarako Aho, mba tsy handotoana izany eo imason'ny jentilisa izay nitoerany, sady teo imasony no nanaovako izay hahafantarany Ahy tamin'ny nitondrako azy nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta.