Ezekiel 21:12 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary raha misy miteny aminao hoe: Nahoana ianao no midridridridry? Dia valio hoe: Misy vaovao tonga. Ho ketraka ny fo rehetra, hiraviravy ny tanana rehetra, hivarahontsana ny fanahy rehetra ary ho tonga rano ny lohalika rehetra. Eny, ho avy izany ka ho tanteraka, hoy NY TOMPO Andriamanitra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary rehefa hilaza aminao izy ireo hanao hoe: «Nahoana no midridridridry ianao?» Valio hoe: «Noho ny zava-baovao ho avy; fa hivarahontsana ny fo rehetra; hiraviravy ny tanana rehetra; ho velona ahiahy ny saina rehetra; hilefaka toy ny rano, ny lohalika rehetra. Indro, avy izany, ka efa tanteraka, - teny marin’ny Tompo Iaveh.» -
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia hanontaniana anao ny antony itolokoanao ka hovalianao hoe: «Vaovao ratsy no reko ary ho tonga izany. Ho kivy fo sy hiraviravy tanana ny besinimaro ary ho ketra-panahy sy halemy lohalika. Indro tonga izany ary tanteraka, hoy ny teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY.»
Malagasy Bible 1865
Ary raha izy manao aminao hoe: Nahoana ianao no midridridridry? Dia valio hoe: Noho ny teny efa re, fa ho avy izany, ho kivy ny fo rehetra, hiraviravy ny tanana rehetra, ary hivarahontsana ny fanahy rehetra, sady hanjary ho toy ny rano ny lohalika rehetra. Eny, ho avy izany ka ho tanteraka, hoy Jehovah Tompo;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary raha misy miteny aminao hoe: Nahoana ianao no midridridridry? Dia valio hoe: Misy vaovao tonga. Ho ketraka ny fo rehetra, hiraviravy ny tanana rehetra, hivarahontsana ny fanahy rehetra ary ho tonga rano ny lohalika rehetra. Eny, ho avy izany ka ho tanteraka, hoy NY TOMPO Andriamanitra.
malagasy