Ezekiel 21:17 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Mitomania sy midradradradrà, ry zanak’olona! Fa mihatra amin’ny oloko izany, dia amin’ny lehibe rehetra amin’ny Israely; lavon’ny sabatra miaraka amin’ny oloko izy. Koa tehafo ny fenao!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Mikiakiaha sy midradradradrà, ry zanak’olona, fa ho amin’ny vahoakako izany sabatra izany, ho amin’ny lehibe rehetra, eo amin’i Israely. Voatolotra ho an’ny sabatra izy ireo, mbamin’ny vahoakako; koa dony ny fenao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Miantsoa vonjy ianao ary midradradradrà, ry ilay taranak’olombelona, satria izany sabatra izany dia mihatra amin’ny vahoakako; iharan’io sabatra io koa ny mpitondra rehetra eto Israely, ka ho ringan-tsabatra miaraka amin’ny vahoakako ireo. Koa aoka ianao handondon-tratra
Malagasy Bible 1865
Mitomania sy midradradradrà, ry zanak'olona! Fa mihatra amin'ny oloko izany, dia amin'ny lehibe rehetra amin'ny Isiraely; Lavon'ny sabatra miaraka amin'ny oloko izy, koa misafoa sirana ianao;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Mitomania sy midradradradrà, ry zanak’olona! Fa mihatra amin’ny oloko izany, dia amin’ny lehibe rehetra amin’ny Israely; lavon’ny sabatra miaraka amin’ny oloko izy. Koa tehafo ny fenao!
malagasy
Mitomania sy midradradradrà, ry zanak'olona! Fa mihatra amin'ny oloko izany, dia amin'ny lehibe rehetra amin'ny Isiraely; Lavon'ny sabatra miaraka amin'ny oloko izy, koa misafoa sirana ianao;