Ezekiel 21:2 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ry zanak’olona, manatreha ny atsimo ary mitenena manandrify ny atsimo! Maminania ny amin’ny hamelezana ny ala any Negeva!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ry zanak’olona, atodiho mankany Temàna ny tavanao; ataovy mijojo mankany atsimo ny teninao, ary manaova faminaniana manohitra ny alan’ny tany atsimo,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
–Ry ilay taranak’olombelona, atodiho mianatsimo ny fijerinao, ka mitenena manandrify ny atsimo ary ijoroy ny maha-mpaminany anao mba hamelezana ny alan’i Negeba.
Malagasy Bible 1865
Ry zanak'olona, manatreha ny atsimo, ary mitenena manandrify ny atsimo, ka maminania ny amin'ny hamelezana ny ala amin'ny tany atsimo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ry zanak’olona*, manatreha ny atsimo ary mitenena manandrify ny atsimo! Maminania ny amin’ny hamelezana ny ala any Negeva!
malagasy
Ry zanak'olona, manatreha ny atsimo, ary mitenena manandrify ny atsimo, ka maminania ny amin'ny hamelezana ny ala amin'ny tany atsimo.