Ezekiel 21:20 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nahebihebiko teny amin’ny vavahadiny rehetra ny sabatra mba hahaketraka ny fo sy hahatonga fahatafintohinana maro. Indrisy! Nataoko nanelatselatra izany sady voatsoaka hamono.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Mba hahareraka ny fo, sy hahamaro ny hovonoina, dia ny vavahady rehetra no nametrahako ny sabatra mamono. Indro, voavoatra izy, mba handefa tselatra, voaasa izy, mba handringanana!
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Mba hampivalaketraka ny fon’ny olona sy hampivembena ny besinimaro dia napetrako isam-bavahady ny sabatra fandringanana, ka manjelanjelatra toy ny tselatra sady efa voavoatra hamono.
Malagasy Bible 1865
Nahebihebiko teny amin'ny vavahadiny rehetra ny sabatra, mba hahakivy ny fo sy hahatonga fahatafintohinana maro. Indrisy! nataoko nanelatselatra izy sady voaranitra hamono.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nahebihebiko teny amin’ny vavahadiny rehetra ny sabatra mba hahaketraka ny fo sy hahatonga fahatafintohinana maro. Indrisy! Nataoko nanelatselatra izany sady voatsoaka hamono.
malagasy
Nahebihebiko teny amin'ny vavahadiny rehetra ny sabatra, mba hahakivy ny fo sy hahatonga fahatafintohinana maro. Indrisy! nataoko nanelatselatra izy sady voaranitra hamono.[Na: voatsoaka]