Ezekiel 21:24 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ianao, ry zanak’olona, manaova lalana roa hiavian’ny sabatry ny mpanjakan’i Babilona; avy amin’ny tany iray no hiavian’izy roa. Manaova famantaran-dalana ka eo an-tsampanan-dalana mankany amin’ny tanàna no anaovanao azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Manorita ianao, lalan-droa halehan’ny sabatry ny mpanjakan’i Babilôna, ry zanak’olona; ataovy avy amin’ny tany iray ihany izy roa ireo; ary manorita famantarana, ka eo an-dohan’ny lalan’ny tanàna anankiray no sorito izany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Ry ilay taranak’olombelona, sorito ny lalana roa izay hahazoan’ny mpanjakan’i Babilôna ho tonga ombàn-tsabatra. Ataovy samy miainga amin’ny tany iray ihany ireo lalana roa ireo. Isaky ny vavalalana dia mariho ny tanàna izay halehany.
Malagasy Bible 1865
Hianao, ry zanak'olona, manaova lalana roa ho anao hihavian'ny sabatry ny mpanjakan'i Babylona; avy amin'ny tany iray no hihavian'izy roa; ka manaova sarin'ny famantaran-dalana, eo an-tsampanan-dalana mankany amin'ny tanàna no anaovinao azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ianao, ry zanak’olona*, manaova lalana roa hiavian’ny sabatry ny mpanjakan’i Babilona; avy amin’ny tany iray no hiavian’izy roa. Manaova famantaran-dalana ka eo an-tsampanan-dalana mankany amin’ny tanàna no anaovanao azy.
malagasy
Hianao, ry zanak'olona, manaova lalana roa ho anao hihavian'ny sabatry ny mpanjakan'i Babylona; avy amin'ny tany iray no hihavian'izy roa; ka manaova sarin'ny famantaran-dalana, eo an-tsampanan-dalana mankany amin'ny tanàna no anaovinao azy.[Heb: voatsoaka]