Ezekiel 21:26 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa ny mpanjakan’i Babilona dia mijanona eo amin’ny sampanan-dalana, dia eo an-dohan’ny lalana roa mba hisikidy; manetsiketsika ny zana-tsipìka izy ary manontany amin’ny terafima sy mizaha amin’ny atin-kena.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa ny mpanjakan’i Babilôna, nijanona teo an-tsampanan-dalana, eo an-dohan’ny lalan-droa, mba hanao sikidy: ka manetsiketsika ny zana-tsipikany, manontany amin’ny terafima, mizaha amin’ny atinkena.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hijanona eo am-bavalalana iaingan’ireo lalana roa ireo aloha ny mpanjakan’i Babilôna mba hanao sikidy. Hahontsankontsany ny zana-tsipîka, hanontaniany ny sampy ary hohadininy ny atin-kenam-biby.
Malagasy Bible 1865
Fa ny mpanjakan'i Babylona mijanona eo amin'ny sampanan-dalana, dia eo an-dohan'ny lalana roa, mba hanao sikidy; dia manetsiketsika ny zana-tsipìka izy ary manontany amin'ny sampy sy mizaha amin'ny atin-kena.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa ny mpanjakan’i Babilona dia mijanona eo amin’ny sampanan-dalana, dia eo an-dohan’ny lalana roa mba hisikidy; manetsiketsika ny zana-tsipìka izy ary manontany amin’ny terafima* sy mizaha amin’ny atin-kena.
malagasy
Fa ny mpanjakan'i Babylona mijanona eo amin'ny sampanan-dalana, dia eo an-dohan'ny lalana roa, mba hanao sikidy; dia manetsiketsika ny zana-tsipìka izy ary manontany amin'ny sampy sy mizaha amin'ny atin-kena.[Heb. terafima]