Ezekiel 21:27 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Eo an-tanany havanana ny sikidy izay manondro an’i Jerosalema mba hametrahany lohondry fandravana, hiantsoantsoany hampanao famonoana, hanandratany feo amin’ny akoran’ady, hametrahany lohondry fandravana eo akaikin’ny vavahady, hanandratany tovon-tany sy manda fanafihana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Eo an-tanany ankavanana ny sikidy Jerosalema, hanangana lohondry vy hamely ny manda, handoaka fidirana amin’ny banga, hanandra-peo amin’ny akoran’ady, hanangana lohondry vy hamelezana ny vavahady, hanandratra tovon-tany, hanorina manda.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny zana-tsipîka manondro an’i Jerosalema dia nianjera teo an-kavanany. Koa hanandra-peo hanao akoran’ady izy ary hampametraka ny kanontabe hamelezana ny vavahadin-tanàna, hampanangana ny tovon-tany ary hampandavaka ireo hady fanafihana.
Malagasy Bible 1865
Mby eo an-tànany ankavanana ny sikidy, dia ny ho an'i Jerosalema, mba hametraka lohondry vy fandravana, hisoka-bava hiantsoantso, hanandra-peo amin'ny akoran'ady, hametraka lohondry vy fandravana eo akaikin'ny vavahady, hanandratra tovon-tany sy tilikambo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Eo an-tanany havanana ny sikidy izay manondro an’i Jerosalema mba hametrahany lohondry fandravana, hiantsoantsoany hampanao famonoana, hanandratany feo amin’ny akoran’ady, hametrahany lohondry fandravana eo akaikin’ny vavahady, hanandratany tovon-tany sy manda fanafihana.
malagasy