Ezekiel 21:29 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Satria ianareo nampahatsiaro ny helokareo tamin’ny nampiharihariana ny fahadisoanareo ka nampiseho ny fahotanareo tamin’izay rehetra nataonareo, noho izany fahatsiarovana ny momba anareo izany dia hosamborina ianareo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Koa izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Noho ianareo nampahatsiaro ny helokareo, tamin’ny nampihariharinareo ny hadisoanareo sy nanehoanareo ny fahotanareo tamin’izay rehetra nataonareo, ka nanao izay hahatsiarovanareo anareo, dia nosamborin-tanana ianareo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: ‹Mampahatsiaro Ahy tsy tapaka ny helokareo ianareo amin’ireo fikomianareo an-karihary; ary ny asa rehetra nataonareo no mampiseho ny fahotanareo. Noho ianareo nanao izay hahatsiarovana anareo toy izany, dia hosamborin’ny fahavalo tokoa ianareo!›
Malagasy Bible 1865
Koa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Noho ny nampahatsiarovanareo ny helokareo tamin'ny nampiharihariana ny fahadisoanareo mba hampisehoana ny fahotanareo tamin'izay rehetra nataonareo, noho ny nahatsiarovana anareo dia hosamborin-tanana ianareo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Satria ianareo nampahatsiaro ny helokareo tamin’ny nampiharihariana ny fahadisoanareo ka nampiseho ny fahotanareo tamin’izay rehetra nataonareo, noho izany fahatsiarovana ny momba anareo izany dia hosamborina ianareo.
malagasy