Ezekiel 21:3 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Lazao amin’ny ala amin’ny tany atsimo hoe: Henoy ny tenin’NY TOMPO! Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Indro, hampirehitra afo ao aminao Aho, izay handevona ny hazo maitso sy ny hazo maina rehetra ao aminao; tsy hovonoina ny lelafo midedadeda fa ho main’ny afo ny tava rehetra hatrany atsimo ka hatrany avaratra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
lazao amin’ny ala atsimo hoe: Henoy ny tenin’i Iaveh! Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Indro Aho handrehitra afo eo afovoanao, ary dia handevona ny hazo maitso rehetra eo aminao, mbamin’ny hazo maina rehetra: tsy ho faty ny lelafo mahamay, ka ho levona avokoa izay rehetra eo amin’ny vohon’ny tany, hatrany atsimo ka hatrany avaratra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Asaivo mihaino ny tenin’ny TOMPO izy, satria izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY aminy: «Indro Aho handrehitra afo izay handevona ny hazonao rehetra na ireo mirobona maitso na ireo efa maina. Tsy hisy afaka hamono ny lelafo midedadeda fa hihanaka avy any atsimo ka hatrany avaratra izany, ka ho may avokoa ny tarehin’ny olona rehetra.
Malagasy Bible 1865
Ary lazao amin'ny ala amin'ny tany atsimo hoe: Henoy ny tenin'i Jehovah: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, hampirehitra afo ao aminao Aho, izay handevona ny hazo maitso sy ny hazo maina rehetra ao aminao; tsy hovonoina ny lelafo midedadeda, fa ho main'ny afo ny tava rehetra hatrany atsimo ka hatrany avaratra;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Lazao amin’ny ala amin’ny tany atsimo hoe: Henoy ny tenin’NY TOMPO! Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Indro, hampirehitra afo ao aminao Aho, izay handevona ny hazo maitso sy ny hazo maina rehetra ao aminao; tsy hovonoina ny lelafo midedadeda fa ho main’ny afo ny tava rehetra hatrany atsimo ka hatrany avaratra.
malagasy