Ezekiel 21:31 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Hesorina ny fehiloha, ary halàna ny satroboninahitra. Miova ny zavatra rehetra! Hasandratra ny iva ary haetry ny avo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ka izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Ny hamama halàna; ny satroboninahitra hesorina; hakorontana izao rehetra izao; ny iva hasandratra, ny avo haetry.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Satria izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: ‹Halaina aminao ny marika maha mpanjaka anao, ary hoesorina ny satro-boninahitrao. Fa nivadika ny toe-javatra: ny olona ambany no hasandratra, ary ny olona ambony no haetry.
Malagasy Bible 1865
izao no lazain'i Jehovah Tompo Hesorina ny hamama, ary halàna ny satro-boninahitra, tsy ho ao intsony ireo; hasandratra ny iva, ary haetry ny avo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Hesorina ny fehiloha, ary halàna ny satroboninahitra. Miova ny zavatra rehetra! Hasandratra ny iva ary haetry ny avo.
malagasy
izao no lazain'i Jehovah Tompo Hesorina ny hamama, ary halàna ny satro-boninahitra, tsy ho ao intsony ireo; hasandratra ny iva, ary haetry ny avo.