Ezekiel 21:32 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Faharavana, faharavana, faharavana! Izany ho hataoko aminy. Efa niova sahady ny zavatra rehetra mandra-pahatongan’izay tena tompon’ny fitsarana ka hatolotro azy izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hataoko rava dia rava dia rava izany; tsy ho eo intsony izany, mandra-piavin’ilay Tompon’ny fitsarana, izay hametrahako sy homeko an’izany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Faharavana, faharavana, faharavana: hataoko toy izany i Jerosalema. Ho potika tanteraka ny tanàna, saingy tsy alohan’ny hahatongavan’ilay homeko fahefana hanafay azy ›. »
Malagasy Bible 1865
Havadiko, havadiko, havadiko izany; fa izany koa aza dia tsy mba haharitra mandra-pahatongan'izay tena tompony tokoa, ka homeko azy izany. Ary ianao, ry zanak'olona, dia maminania, ka ataovy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Ny amin'ny taranak'i Amona sy ny latsa ataony, dia ataovy hoe: Indro sabatra! Dia sabatra voatsoaka hamono! Voafotsy handringana sy hanelatselatra izy (Raha mahita zava-poana ho anao izy sy maminany lainga aminao) Handavoany anao ao amin'ny vozon'ny ratsy fanahy voatrabaka, Izay tapitra andro amin'ny fotoan'ny heloka mahafaty. Ampidiro amin'ny tranony izy. Any amin'ny tany namoronana anao, dia any amin'ny tany nahaterahanao, no hitsarako anao. Ary haidiko aminao ny fahavinirako, ny afon'ny fahatezerako no hotsofiko aminao, ka hatolotro eo an-tànan'ny olona ketrina. Sy izay mpamorona fandringanana ianao, Dia ho kitain'ny afo ianao; Ho eny amin'ny tany ny rànao; Tsy hotsaroana ianao; Fa Izaho Jehovah no niteny izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Faharavana, faharavana, faharavana! Izany ho hataoko aminy. Efa niova sahady ny zavatra rehetra mandra-pahatongan’izay tena tompon’ny fitsarana ka hatolotro azy izany.
malagasy
Havadiko, havadiko, havadiko izany; fa izany koa aza dia tsy mba haharitra mandra-pahatongan'izay tena tompony tokoa, ka homeko azy izany.