Ezekiel 21:33 — Compare Translations
5 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ianao, ry zanak’olona, maminania ka lazao hoe: Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Ny amin’ny taranak’i Amona sy ny latsa ataony dia lazao hoe: Indro sabatra! Sabatra voatsoaka hamono! Mangirana izany ka handringana sy hanelatselatra!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary ianao, ry zanak’olona, maminania, ka ataovy hoe: Izao no lazain’ny Tompo Iaveh mamely ny taranak’i Amôna, sy ny amin’ny faniratsirany. Lazao hoe: Ny sabatra, ny sabatra efa voatsoaka handringana: voafotsy izy handevona sy handefa tselatra,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nampian’ny Tompo hoe: «Ary ianao, ry ilay taranak’olombelona, mijoroa ho mpaminany ka ambarao amin’ny Hamônita fa izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY hamelezana azy ary ho setrin’ny fandatsana nataony tamin’i Israely: ‹Efa ao ny sabatra, dia sabatra voatsoaka hahafaty sy handringana ary sabatra natao mangirana hanelatselatra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ianao, ry zanak’olona*, maminania ka lazao hoe: Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Ny amin’ny taranak’i Amona sy ny latsa ataony dia lazao hoe: Indro sabatra! Sabatra voatsoaka hamono! Mangirana izany ka handringana sy hanelatselatra!
malagasy
Ary ianao, ry zanak'olona, dia maminania, ka ataovy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Ny amin'ny taranak'i Amona sy ny latsa ataony, dia ataovy hoe: Indro sabatra! Dia sabatra voatsoaka hamono! Voafotsy handringana sy hanelatselatra izy