Ezekiel 21:34 — Compare Translations
5 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ao anatin’ny fahitana mamitaka sy ny faminaniana mandainga ataonao no handrasàny ny tendanao miaraka amin’ireo ratsy fanahy lozan-tany, izay tapitra andro amin’ny fotoanan’ny heloka tena mahafaty.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
- dia ny mbola ahitana zava-poana ianao, sy fambara mamitaka, hampiraisana toerana anao amin’ny fatin’ny ratsy fanahy voatolotra ho an’ny sabatra, fa efa tonga ny androny amin’izao ipahan’ny fotoanan’ny faharatsiana.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Raha fahitana manodoka sy fanambarana mamitaka no aroso aminareo, dia efa vonona hanapaka ny vozon’ny mpamadika sy ny olon-dratsy izany; satria tonga ny andro hifaranan’ny fanaovany heloka.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ao anatin’ny fahitana mamitaka sy ny faminaniana mandainga ataonao no handrasàny ny tendanao miaraka amin’ireo ratsy fanahy lozan-tany, izay tapitra andro amin’ny fotoanan’ny heloka tena mahafaty.
malagasy
(Raha mahita zava-poana ho anao izy sy maminany lainga aminao) Handavoany anao ao amin'ny vozon'ny ratsy fanahy voatrabaka, Izay tapitra andro amin'ny fotoan'ny heloka mahafaty.[Heb. Hametrahana]