Ezekiel 21:36 — Compare Translations
5 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Haidiko aminao ny fahavinirako; ny afon’ny fahatezerako no hotsofiko aminao ka hatolotro eo an-tanan’ny olona kentrina izay mpamorona fandringanana ianao,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hampidiniko aminao ny havinirako; hotsofiko aminao ny afom-pahatezerako; ary hatolotro eo an-tanan’ny olona adala ianao, sy amin’ny mpanao fandringanana.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hatosako aminareo ny fahavinirako ary hampihariko aminareo ny fahatezerako mirehitra, ka hatolotro eo an-tanan’ny olon-doza mpamorona fandravana ianareo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Haidiko aminao ny fahavinirako; ny afon’ny fahatezerako no hotsofiko aminao ka hatolotro eo an-tanan’ny olona kentrina izay mpamorona fandringanana ianao,
malagasy
Ary haidiko aminao ny fahavinirako, ny afon'ny fahatezerako no hotsofiko aminao, ka hatolotro eo an-tànan'ny olona ketrina. Sy izay mpamorona fandringanana ianao,Dia ho kitain'ny afo ianao; Ho eny amin'ny tany ny rànao; Tsy hotsaroana ianao; Fa Izaho Jehovah no niteny izany.