Ezekiel 21:9 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Satria haringako ny marina sy ny meloka eo aminao, dia izany no itsoahan’ny sabatro amin’ny tranony mba hamely ny nofo rehetra hatrany atsimo ka hatrany avaratra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary satria handringana ny marina sy ny meloka eo aminao Aho, noho izany dia hitsoaka avy amin’ny tranony ny sabatro hamely ny nofo rehetra, hatrany atsimo ka hatrany avaratra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny handringanako ny olo-marina sy ny olon-dratsy eo aminao no hanatsoahako ny sabatro amin’ny fitoerany, hamelezany ny olona rehetra hatreo atsimo ka hatrany avaratra.
Malagasy Bible 1865
Ary noho ny handringanako ny marina sy ny meloka eo aminao, dia izany no hitsoahan'ny sabatro amin'ny tranony hamely ny nofo rehetra hatrany atsimo ka hatrany avaratra,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Satria haringako ny marina sy ny meloka eo aminao, dia izany no itsoahan’ny sabatro amin’ny tranony mba hamely ny nofo rehetra hatrany atsimo ka hatrany avaratra.
malagasy
Ary noho ny handringanako ny marina sy ny meloka eo aminao, dia izany no hitsoahan'ny sabatro amin'ny tranony hamely ny nofo rehetra hatrany atsimo ka hatrany avaratra,