Ezekiel 22:14 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hahatoha va ny fonao, na hatanjaka va ny tananao amin’ny andro izay hifanatrehako aminao? Izaho TOMPO no nilaza sady hanatanteraka izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Moa hahazaka va ny fonao ary hahatoha ihany va ny tananao, amin’ny andro hiasako hamely anao? Izaho Iaveh no nilaza ka hanatanteraka.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Moa hanan-kery sy fahasahiana hahatohitra ve ianareo, amin’ny andro hamelezako anareo? Fa Izaho TOMPO dia milaza sady manatanteraka izany.
Malagasy Bible 1865
Hahatoha va ny fonao, na hahazaka va ny tananao, amin'ny andro izay hisehoaka aminao? Izaho Jehovah no nilaza sady hahatanteraka izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hahatoha va ny fonao, na hatanjaka va ny tananao amin’ny andro izay hifanatrehako aminao? Izaho TOMPO no nilaza sady hanatanteraka izany.
malagasy
Hahatoha va ny fonao, na hahazaka va ny tananao, amin'ny andro izay hisehoaka aminao? Izaho Jehovah no nilaza sady hahatanteraka izany.[Heb. hanaovako]