Ezekiel 22:20 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Toy ny fanangonana volafotsy, varahina, vy, firaka ary firapotsy ho ao anatin’ny memy ka misy mifofotra azy amin’ny afo ho rendrika, dia toy izany no hanangonako anareo amin’ny fahatezerako sy ny fahavinirako, ary hataoko ao ianareo ka ho voarendrika.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Toy ny fanangon’ny olona volafotsy, varahina, vy, fira-mainty, fira-potsy, ao afovoan’ny memy sy hofoforina harendrika, no hanangonako anareo, amin’ny fahatezerako amam-pahavinirako; hataoko ao ianareo ary hataoko rendrika.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa avangongo ao anaty lafaoro ny volafotsy sy varahina sy vy ary firaka na vifotsy, dia tsofina mafy ny afo ao ambany handrendrehana azy. Koa noho ny fahatezerako amam-pahavinirako dia toy izany no hanangonako anareo; ka havangongoko ao anaty lafaoro ianareo mba harendrika.
Malagasy Bible 1865
Toy ny anangonana volafotsy sy varahina sy vy sy firaka ary vifotsy ho ao anatin'ny memy ka misy mifofotra azy amin'ny afo ho rendrika, dia toy izany no hanangonako anareo amin'ny fahatezerako sy ny fahavinirako, ary hataoko ao ianareo ka ho voarendrika;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Toy ny fanangonana volafotsy, varahina, vy, firaka ary firapotsy ho ao anatin’ny memy ka misy mifofotra azy amin’ny afo ho rendrika, dia toy izany no hanangonako anareo amin’ny fahatezerako sy ny fahavinirako, ary hataoko ao ianareo ka ho voarendrika.
malagasy