Ezekiel 22:30 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nitady olona teo aminy Aho hanao manda sy hijanona eo amin’ny banga eo anatrehako hifona ho an’ny tany mba tsy handravako azy, kanjo tsy nahita.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nitady Aho, raha misy olona eo aminy, manao manda sy mitsangana eo amin’ny banga, eo anatrehako, hiaro ny tany mba tsy handravako azy, nefa tsy nahita Aho.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nokarohiko izay vonona hanangana ny manda na izay vonona hijanona eo amin’ny bangan’ny manda mba hifona eo anatrehako ho an’ny tany sy hisakana Ahy tsy handrava azy; nefa tsy nahita Aho.
Malagasy Bible 1865
Ary nitady olona teo aminy Aho hanao manda sy hijanona eo amin'ny banga eo anatrehako hifona ho an'ny tany mba tsy handravako azy, kanjo tsy nahita;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nitady olona teo aminy Aho hanao manda sy hijanona eo amin’ny banga eo anatrehako hifona ho an’ny tany mba tsy handravako azy, kanjo tsy nahita.
malagasy
Ary nitady olona teo aminy Aho hanao manda sy hijanona eo amin'ny banga eo anatrehako hifona ho an'ny tany mba tsy handravako azy, kanjo tsy nahita;koa dia haidiko eo aminy ny fahatezerako; ny afon'ny fahatezerako no handaniako azy; ary hatsingeriko ho eo an-dohany ihany ny fanaony, hoy Jehovah Tompo.[Heb lalana]