Ezekiel 22:31 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa dia haidiko eo aminy ny fahatezerako; ny afon’ny fahatezerako no handaniako azy. Hatsingeriko ho eo an-dohany ihany ny lalany, hoy NY TOMPO Andriamanitra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka dia naidiko teo aminy, ny fahatezerako; nolevoniko tamin’ny afon’ny hatezerako izy; natsingeriko teo an-dohany, izay nataony, - teny marin’ny Tompo Iaveh. -
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa natosako teo aminy ny fahavinirako ary naripako tamin’ny afom-pahatezerako izy sady nampizakaiko ny vokatry ny fitondrantenany. Teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany.»
Malagasy Bible 1865
koa dia haidiko eo aminy ny fahatezerako; ny afon'ny fahatezerako no handaniako azy; ary hatsingeriko ho eo an-dohany ihany ny fanaony, hoy Jehovah Tompo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa dia haidiko eo aminy ny fahatezerako; ny afon’ny fahatezerako no handaniako azy. Hatsingeriko ho eo an-dohany ihany ny lalany, hoy NY TOMPO Andriamanitra.
malagasy
koa dia haidiko eo aminy ny fahatezerako; ny afon'ny fahatezerako no handaniako azy; ary hatsingeriko ho eo an-dohany ihany ny fanaony, hoy Jehovah Tompo.[Heb lalana]