Ezekiel 22:4 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny ra izay nalatsakao no nahameloka anao, ary ny sampy izay nataonao no nampahaloto anao. Nampahafohy ny andronao ianao ka tonga ny fetran’ny taonanao. Koa izany no nanaovako anao ho fandatsan’ny Jentilisa sy ho fanakoran’ny tany rehetra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tonga meloka ianao, tamin’ny ra nalatsakao, nandoto tena tamin’ny sampy vetaveta nataonao; ary nanafaingana ny andronao tamin’izany ka tonga amin’ny fara taonanao; izany no nanaovako anao ho fandàtsan’ny firenena amam-pihomehezan’ny tany rehetra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Meloka ianao noho ireo vonoan’olona rehetra ireo ary nandoto tena tamin’izany fanamboaran-tsampy izany! Ny tenanao ihany no nampanakaiky ny fotoana handravana anao; ka tafapaka amin’ny fiafaran’ny andronao ianao. Noho izany dia atolotro ho fihomehezan’ny firenen-kafa ianao ka ho fanarabian’ny tany rehetra.
Malagasy Bible 1865
Ny rà izay nalatsakao no nahameloka anao, ary ny sampy izay nataonao no nahaloto anao; ary efa nampanakaiky ny andronao ianao ka efa tonga amin'ny taonanao, koa izany no nanaovako anao ho fandatsan'ny jentilisa sy ho fanakoran'ny tany rehetra,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny ra izay nalatsakao no nahameloka anao, ary ny sampy izay nataonao no nampahaloto anao. Nampahafohy ny andronao ianao ka tonga ny fetran’ny taonanao. Koa izany no nanaovako anao ho fandatsan’ny Jentilisa* sy ho fanakoran’ny tany rehetra.
malagasy
Ny rà izay nalatsakao no nahameloka anao, ary ny sampy izay nataonao no nahaloto anao; ary efa nampanakaiky ny andronao ianao ka efa tonga amin'ny taonanao, koa izany no nanaovako anao ho fandatsan'ny jentilisa sy ho fanakoran'ny tany rehetra,