Ezekiel 23:10 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ireny no mampiseho ny fitanjahany; ny zanany lahy sy ny zanany vavy dia lasan’ireny, ary ny tenany dia novonoiny tamin’ny sabatra ka tonga ambentinteny tamin’ny vehivavy izy ary niharan’ny fitsarana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nampitanjaka azy izy ireo, nahalasa ny zanany lahy aman-janany vavy; namono azy io tamin’ny sabatra, ka tonga nalaza ratsy tamin’ny vehivavy izy fa niharan’ny fitsarana.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa naboridany tanteraka izy, ary novonoiny ho faty tamin’ny sabatra; fa ny zanany lahy sy vavy kosa nentiny. Niharan’ny famaizana izy mba hatao ohatra ho an’ny vehivavy hafa.»
Malagasy Bible 1865
Ireny no nampiseho ny fitanjahany; ny zananilahy sy ny zananivavy dia lasan'ireny, ary ny tenany novonoiny tamin'ny sabatra, ka dia tonga ambentinteny tamin'ny vehivavy izy ary efa niharan'ny fitsarana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ireny no mampiseho ny fitanjahany; ny zanany lahy sy ny zanany vavy dia lasan’ireny, ary ny tenany dia novonoiny tamin’ny sabatra ka tonga ambentinteny tamin’ny vehivavy izy ary niharan’ny fitsarana.
malagasy