Ezekiel 23:12 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Maimay tamin’ny Asiriana mifanakaiky aminy izy, dia ny governora sy ny lefiny, olona mareva-pitafiana sady mpitaingin-tsoavaly, samy tanora bikana izy rehetra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Matim-pitia an’ireo zanaka lahin’i Asiria izy, governora ama-mpifehy mifanila tany aminy, mitafy lamba sarobidy, mpitaingin-tsoavaly mitaingin-tsoavaly, samy tovolahy soa avokoa.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa nahamaimay azy koa ireo asirianina mpifanila aminy, dia ireo governora sy mpitsara mareva-pitafiana sady kinga fitaingin-tsoavaly; samy tovolahy bikàna izy rehetra.
Malagasy Bible 1865
Maimay tamin'ny Asyriana mifanolotra aminy izy, dia ny governora sy ny lefiny, olona mareva-pitafiana sady mpitaingin-tsoavaly, samy tovolahy bikàna izy rehetra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Maimay tamin’ny Asiriana mifanakaiky aminy izy, dia ny governora sy ny lefiny, olona mareva-pitafiana sady mpitaingin-tsoavaly, samy tanora bikana izy rehetra.
malagasy
Maimay tamin'ny Asyriana mifanolotra aminy izy, dia ny governora sy ny lefiny, olona mareva-pitafiana sady mpitaingin-tsoavaly, samy tovolahy bikàna izy rehetra.