Ezekiel 23:15 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Samy nanao fehikibo izy ary fehiloha nisy rambony teo an-dohany; ny fijery azy rehetra dia toy ny zanak’andriana, dia tahaka ny zanakalahin’i Babilona izay teraka tany amin’ny tany Kaldea.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nisy fehikibo ny andilany, sy hamama malalaka teo an-dohany, samy andrian-dehibe avokoa no fijery azy; izany dia sarin’ny zanaka lahin’i Babilôna, ary i Kaldea no tany fiaviany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Samy nisy fehikibo teny an-tehezany ary fehiloha misoratsoratra teny an-dohany. Hoatry ny mpiady mahery no fijery azy; ary ny bikabikan’izy rehetra dia tahaka ireo Babilônianina miaina any Kaldea izay tany nahaterahany.
Malagasy Bible 1865
samy nisy fehin-kibo nifehy teo am-balahany sy hamama voanato nisy rambony teo an-dohany; ny fijery azy rehetra dia toy ny fijery zanak'andriana, dia tahaka ny zanakalahin'i Babylona, izay teraka tany amin'ny tany Kaldea.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Samy nanao fehikibo izy ary fehiloha nisy rambony teo an-dohany; ny fijery azy rehetra dia toy ny zanak’andriana, dia tahaka ny zanakalahin’i Babilona izay teraka tany amin’ny tany Kaldea.
malagasy