Ezekiel 23:22 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa izao, ry Oholiba, no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Indro, hotairiko hamely anao ireny mpitia anao izay efa nankaleo anao ireny ka ho entiko avy amin’ny tany manodidina izy mba hamely anao,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Noho izany, ry Oôlibà, izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Indro Aho hamporisika hamely anao, ireo lehilahinao, izay efa naharikoriko ny fanahinao; ka hoentiko avy any rehetra any, hamely anao,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY aminao: ‹Indro hotairiko hamely anao ireo lehilahinao. Ankehitriny efa namparikoriko anao izy, ka hoentiko avy any amin’ny manodidina mba hamely anao.
Malagasy Bible 1865
Koa izao, ry Oholiba, no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, hotairiko hamely anao ireny lehilahinao, izay efa niombotan'ny fanahinao, ka ho entiko avy amin'ny tany manodidina izy mba hamely anao,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa izao, ry Oholiba, no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Indro, hotairiko hamely anao ireny mpitia anao izay efa nankaleo anao ireny ka ho entiko avy amin’ny tany manodidina izy mba hamely anao,
malagasy
Koa izao, ry Oholiba, no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, hotairiko hamely anao ireny lehilahinao, izay efa niombotan'ny fanahinao, ka ho entiko avy amin'ny tany manodidina izy mba hamely anao,