Ezekiel 23:24 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ho avy izy mitondra fiadiana sy kalesy fitondra miady ary fiara mbamin’ny firenena betsaka hamely anao, izay hanisy ampinga lehibe sy ampinga kely sy fiarovan-doha manodidina hamelezana anao; hatolotro azy ny fitsarana ka hitsara anao araka ny fitsarany izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ho avy hamely anao ny fiadiana, ny kalesy aman-kodiarana, mbamin’ny firenena maro. Ny ampinga, ny ampinga kely, ny fiarovan-doha, halahany hamely anao; hapetrako amin’ireo ny fitsarana, ka hotsaraina araka ny lalàny ianao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ho tonga avy any avaratra izy, miaraka amin’ny kalesy sy fitaovana isan-karazany ary koa tafika goavana hamelezana anao. Hanemitra anao izy, mitondra ampinga lehibe sy kely ary fiarovan-doha; hoentiko eo anatrehany ny raharahanao ary hotsarainy araka ny fitsipiny ianao.
Malagasy Bible 1865
Ary ho avy izy mitondra fiadiana sy kalesy sy kodia mbamin'ny firenena betsaka hamely anao, izay hanisy ampinga lehibe sy ampinga kely sy fiarovan-doha manodidina hamelezana anao, ary hatolotro azy ny fitsarana, ka hitsara anao araka ny fitsarany izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ho avy izy mitondra fiadiana sy kalesy fitondra miady ary fiara mbamin’ny firenena betsaka hamely anao, izay hanisy ampinga lehibe sy ampinga kely sy fiarovan-doha manodidina hamelezana anao; hatolotro azy ny fitsarana ka hitsara anao araka ny fitsarany izy.
malagasy