Ezekiel 23:25 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hoentiko hamely anao ny fahasaro-piaroko ka hamely anao amin’ny fahatezerana ireny. Hesoriny ny oronao sy ny sofinao, ary izay sisa aminao dia ho lavon’ny sabatra ka ho lasan-ko babony ny zanakalahinao sy ny zanakavavinao, ary izay sisa aminao dia holevonin’ny afo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hoentiko hamely anao ny fahasaro-piaroko, ka hasian’izy ireny amim-pisafoahana ianao; harasany ny oronao aman-tsofinao; ho lavon-tsabatra ny sisa aminao; hofaohiny ny zanakao lahy aman-janakao vavy; ho levon’ny afo ny sisa aminao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Noho ny fahatezerako aminao dia havelako hanao herisetra aminao ireo: hotapahiny ny oronao sy ny sofinao ary hovonoiny ho faty amin’ny sabatra ianao. Halainy ho babo ny zanakao lahy sy ny vavy fa holevonin’ny afo kosa ireo olona sisa tavela aminao.
Malagasy Bible 1865
Ary ho entiko hamely anao ny fahasaro-piaroko, ka hamely anao amin'ny fahatezerana ireny: hesoriny ny oronao sy ny sofinao, ary izay sisa aminao dia ho lavon'ny sabatra, ka ho lasan-ko babony ny zanakalahinao sy ny zanakavavinao, ary izay sisa aminao holevonin'ny afo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hoentiko hamely anao ny fahasaro-piaroko ka hamely anao amin’ny fahatezerana ireny. Hesoriny ny oronao sy ny sofinao, ary izay sisa aminao dia ho lavon’ny sabatra ka ho lasan-ko babony ny zanakalahinao sy ny zanakavavinao, ary izay sisa aminao dia holevonin’ny afo.
malagasy