Ezekiel 23:28 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Indro, hatolotro eo an-tanan’izay halanao ianao, dia eo an-tanan’izay efa nankaleo anao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Indro hatolotro eo an-tanan’ireo halanao ianao, dia eo an-tanan’ireo maharikoriko ny fanahinao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY aminao: ‹Indro hatolotro eo an-tanan’ireo halanao ianao, dia ireo namparikoriko anao.
Malagasy Bible 1865
Fa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, hatolotro eo an-tànan'izay halanao ianao, dia eo an-tanan'izay efa niombotan'ny fanahinao;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Indro, hatolotro eo an-tanan’izay halanao ianao, dia eo an-tanan’izay efa nankaleo anao.
malagasy
Fa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, hatolotro eo an-tànan'izay halanao ianao, dia eo an-tanan'izay efa niombotan'ny fanahinao;