Ezekiel 23:35 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Noho ny nanadinoanao Ahy sy ny nanarianao Ahy teo ivohonao dia mba zakaonao kosa ny fahavetavetanao sy ny fijangajanganao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Koa izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Noho ianao nanadino Ahy, sy nanifika Ahy ho any ivohonao: dia aoka ianao koa mba hizaka ny sazin’ny fahalotoanao, amam-pijangajanganao!
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Izao manko no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: ‹Satria nanadino Ahy ianao ka niodina tamiko, dia hizaka ny vokatry ny filibàna amam-pijangajanganao›. »
Malagasy Bible 1865
Koa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Noho ny nanadinoanao Ahy sy ny nanarianao Ahy teo ivohonao, dia mba zakaonao kosa ny fahavetavetanao sy ny fijangajanganao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Noho ny nanadinoanao Ahy sy ny nanarianao Ahy teo ivohonao dia mba zakaonao kosa ny fahavetavetanao sy ny fijangajanganao.
malagasy
Koa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Noho ny nanadinoanao Ahy sy ny nanarianao Ahy teo ivohonao, dia mba zakaonao kosa ny fahavetavetanao sy ny fijangajanganao.