Ezekiel 23:37 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
fa efa nijangajanga izy sady misy ra ny tanany, eny, ny sampiny no nijangajangany, ary ny zanany lahy naterany ho Ahy dia nampamakivakiny ny afo ho an’ireny mba ho levona.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Satria naka vadin’olona izy ary misy ra ny tanany; fa nitolo-tena hiraikitra amin’ny sampin-dozan’ireny; ny zanany aza izay naterany tamiko, nampamakiny ny afo, mba hohanin’ireny.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa vehivavy mpanitsakitsa-bady sy mpamono olona ireo. Nanitsakitsa-bady tamin’ny fanompoan-tsampy izy sy namono olona ho faty tamin’ny nanaovany sorona ny zanany lahy izay efa naterany ho Ahy.
Malagasy Bible 1865
fa efa nijangajanga izy, sady misy rà eny an-tànany, eny, ny sampiny no nijangajangany, ary ny zananilahy naterany ho Ahy dia nampamakiny ny afo ho an'ireny mba ho levona.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
fa efa nijangajanga izy sady misy ra ny tanany, eny, ny sampiny no nijangajangany, ary ny zanany lahy naterany ho Ahy dia nampamakivakiny ny afo ho an’ireny mba ho levona.
malagasy
fa efa nijangajanga izy, sady misy rà eny an-tànany, eny, ny sampiny no nijangajangany, ary ny zananilahy naterany ho Ahy dia nampamakiny ny afo ho an'ireny mba ho levona.