Ezekiel 23:4 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny anaran’ny zokiny dia Ohola ary ny rahavaviny dia Oholiba, ary novadiko izy ka niteraka zazalahy sy zazavavy. Ny amin’ny anarany: i Samaria no Ohola ary i Jerosalema no Oholiba.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izao no anaran’izy ireo: Oôlà, ny zokiny, ary Oôlibà, ny rahavaviny. Ahy izy ireo teo aloha, ary niteraka zazalahy aman-jazavavy. Ny amin’ny anarany dia izao: I Samaria no Oôlà; i Jerosalema no Oôlibà.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
I Ôhôlà no anaran’ny zokiny ary i Ôhôliba no anaran’ny zandriny. Ny voalohany dia manondro an’i Samaria fa ity faharoa kosa manondro an’i Jerosalema. Samy nalaiko ho vady izy roa, ary niteraka zanakalahy sy zanakavavy ho ahy.
Malagasy Bible 1865
Ny anaran'ny zokiny dia Ohola, ary ny rahavaviny dia Oholiba; ary novadiko izy ka niteraka zazalahy sy zazavavy. Ny amin'ny anarany: Samaria no Ohola, ary Jerosalema no Oholiba.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny anaran’ny zokiny dia Ohola ary ny rahavaviny dia Oholiba, ary novadiko izy ka niteraka zazalahy sy zazavavy. Ny amin’ny anarany: i Samaria no Ohola ary i Jerosalema no Oholiba.
malagasy
Ny anaran'ny zokiny dia Ohola, ary ny rahavaviny dia Oholiba; ary novadiko izy ka niteraka zazalahy sy zazavavy. Ny amin'ny anarany: Samaria no Ohola, ary Jerosalema no Oholiba.[Ohola = lainy][Oholiba = Ny laiko no ao aminy]