Ezekiel 23:40 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary koa, nandefa iraka haka lehilahy avy lavitra ireo; eny, nandefa iraka izy ka indreo, tonga izay efa nandroany sy nanosorany loko mainty ny masony sy niravahany
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Naniraka aza izy haka lehilahy avy lavitra, ary izay nandefasana iraka dia indreo izy tonga,...dia ho an’ireo no nandroanao, nanentenanao ny masonao, nihaingoanao tamin’ny firavako!
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ankoatra izany, nandefa iraka hanasa lehilahy avy any an-tany lavitra izy. Raha vao naharay hafatra ireny, dia nirohotra ho atỳ amin’i Ôhôlà sy i Ôhôlibà izay samy efa nandro sy nandoko maso ary nametaka firavaka rahateo.
Malagasy Bible 1865
Ary koa, naniraka ho any amin'ny olona avy lavitra ianao; eny, nanirahanao ireo, ka, indreo, tonga izay efa nandroanao sy nanosoranao loko mainty ny masonao sy niravahanao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary koa, nandefa iraka haka lehilahy avy lavitra ireo; eny, nandefa iraka izy ka indreo, tonga izay efa nandroany sy nanosorany loko mainty ny masony sy niravahany
malagasy
Ary koa, naniraka ho any amin'ny olona avy lavitra ianao; eny, nanirahanao ireo, ka, indreo, tonga izay efa nandroanao sy nanosoranao loko mainty ny masonao sy niravahanao.[Heb. ianareo]