Ezekiel 23:42 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary teo aminy dia nisy ny feon’ny maro izay nipetraka tsy nanana ahiahy, ary afa-tsy ny vahoaka maro dia nisy mpiboboka noentina avy tany an-tany efitra; ary nasian’ireo haba teny an-tanan’izy mirahavavy ary satroboninahitra tsara tarehy teny an-dohany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Re ao ny fihahohahom-bahoaka be miadana: ny olona avy any amin’ny fitambaram-bahoaka be, dia mbola nikambanan’ireo mpiboboka avy any an’efitra, izay nanisy haba ny tanan’izy mirahavavy sy satroboninahitra kanto, teo an-dohany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Marobe ny olona tonga tao aminy, ka re tao ny kotaban’olona tsy manana ahiahy. Tonga tao koa ireo lehilahy avy amin’ireo toerana rehetra any an-taniefitra, ary nametaka haba teny amin’ny hato-tanan’izy mirahavavy sy nametraka satroboninahitra mahafinaritra teny an-dohany.
Malagasy Bible 1865
Ary teo aminy nisy ny feon'ny maro izay mipetraka tsy manana ahiahy, ary afa-tsy ny ankabiazam-bahoaka dia nisy mpiboboka nentina avy tany an-efitra; ary nasian'ireo haba teny an-tànan'izy mirahavavy sy satro-boninahitra tsara tarehy teny an-dohany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary teo aminy dia nisy ny feon’ny maro izay nipetraka tsy nanana ahiahy, ary afa-tsy ny vahoaka maro dia nisy mpiboboka noentina avy tany an-tany efitra; ary nasian’ireo haba teny an-tanan’izy mirahavavy ary satroboninahitra tsara tarehy teny an-dohany.
malagasy