Ezekiel 23:8 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny fijangajangana izay fanaony hatrany Ejipta dia tsy foiny; fa fony izy mbola tanora dia nandrian’ireny, ary ireny no nitsapatsapa ny tratran’ny faha-virijininy sady nanaram-po nijangajanga taminy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tsy nahafoy ny fijangajangany tany Ejipta izy; fa efa nanala baraka azy tamin’ny andro fahatanorany izy ireo; nanindry ny tratran’ny fahavirijiniany, ary nandefa taminy ny fahalotoany;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Notohizany ny fiainam-pijangajangana efa nataony tany Ejipta. Fa tany, fony mbola tanora izy, dia nisy lehilahy nandry taminy sy nitsapatsapa ny nonony somondrara ka nanaram-po nijangajanga taminy.
Malagasy Bible 1865
Ary ny fijangajangana izay fanaony hatrany Egypta dia tsy foiny; fa fony izy mbola tanora dia nandrian'ireny, ary ireny no nitsapatsapa ny tratran'ny fahavirijinany sady nanaram-po nijangajanga taminy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny fijangajangana izay fanaony hatrany Ejipta dia tsy foiny; fa fony izy mbola tanora dia nandrian’ireny, ary ireny no nitsapatsapa ny tratran’ny faha-virijininy sady nanaram-po nijangajanga taminy.
malagasy